AIM-PANAHY

FAHAJAMBANA

Fahajambana sa fahatakarana ara-panahy?

. Manasa ny olombelona “hiala amin’ny maizina ho amin’ny mazava” Andriamanitra. (Asa 26. 16-18)

. Ohatra sasantsasany, ao amin’ny Soratra Masina, momba ny olona izay misongadina noho ny fahajambany ara-batana sy ara-panahy

. Ireo sakana amin’ny fahatakarana ara-panahy eo amin’ny mpino

. Ny fizotra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ary ny fisarahana amin’ny ratsy no ahafahana mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra

. Ny fanafody araka an’Andriamanitra amin’ny toe-pahajambana eo amin’ny kristiana

Eo amin’ny toetrany ara-boajanahary dia jamba ny olombelona, ao anaty haizina izy. Izany fahamaizinana ara-moraly izany dia nanenika azy satria ny ota no nanalavitra azy tamin’Andriamanitra, Izay hany loharanom-pahazavana sy fiainana. Ny fahazavan’Andriamanitra dia mampivohitra ny fifanoherana, ny tsy fahafaha-miaraka misy eo aminy sy ny haizina. “Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy” (Jaona 1. 5).

Manasa ny olombelona “hiala amin’ny maizina ho amin’ny mazava” Andriamanitra. (Asa 26. 16-18)

  • “Ny fahazavana marina” nentin’i Jesosy

Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy, “Izay fahazavana marina”, fa izao tontolo izao nanilika Azy: “Aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” (Jaona 1. 9-11; 3. 19-20). Kanefa dia hitantsika Izy, tamin’ny lalana nodiaviny, fa namita ny asam-pahasoavany. Nampahiratra ny mason’ny jamba Izy (Matio 9. 27-29; 11. 5; 12. 22; 15. 30-31; 20. 29-34; 21. 14; Marka 8. 22-26; 10. 46-52; Lioka 4. 19; 7. 22; Jaona 9) —fanazavana ny asa izay mbola ataony ankehitriny, noho ny fanonerany tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany am-boninahitra tamin’ny maty. Ny filazantsara dia torìna amin’izao tontolo izao, mitovy amin’izay efa notorìn’ny apostoly Paoly, izay nirahin’ny Tompo ho amin’ny jentilisa “hampahiratra ny masony, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava” (Asa 26. 16-18).

Ny fanilihan’ny vahoaka Israely ny Mesiany, ary koa ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Fanahy Masina, dia tsarain’Andriamanitra, Izay miasa ao amin’ny fanjakàny; nanjary lalodalovana ny sofiny ary nanjary nikimpy ny masony (Isaia 6. 10); norakofana ny Soratra Masina —ka niafina taminy ny dikany—, ary norakofana koa ny fon’ity vahoaka tsy mahatoky ity, izay meloka noho ny nanomboany an’i Kristy. Ho avy ny andro izay hanalàna io rakotra io, ary hisokatra ny masony (Isaia 29. 18). Mandritra ny fotoam-pahasoavana, raha mbola mitambesatra amin’i Israely io fitsarana io, no hitoriana amin’ny jentilisa ny Filazantsara, izay miantefa amin’ny rehetra tsy misy ankanavaka.

  • Ireo ezaka ataon’i Satàna mba “hanajambana” ny olombelona

Miezaka tsy ankiato i Satàna mba hanakanana ny olona tsy handray ny Filazantsara: “Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra” (2 Korintiana 4. 4). Na dia eo aza izany fanoherana izany, dia miasa Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Fanahiny (Jaona 3. 3-5), mba hitondrana ireo fanahy ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana, ary hanalana azy ireo amin’ny herin’i Satàna. Amin’izao ankehitriny izao dia mbola mampahiratra ny mason’ny jamba Izy!

Rehefa mahiratra ny masontsika dia tokony hanohitra ny fanafihana, handrava ny tetika feno hafetsen’ny fahavalo, izay tsy manaiky ho resy ka manandrana foana, amin’ny fomba maro, mba “hanajamba” antsika indray isika. Raha tsy miambina isika, raha tsy mailo, na dia tsy ao “amin’ny nofo” intsony aza, dia hampiaina antsika “araka ny nofo” izy, ka hitondra antsika amin’izany hanao toy ireo tsy mino, toy ireo izay mbola “jamba”, ka dia ho isan’ireo olona matory “miaraka amin’ny maty” isika. Ireo izay matory dia tsy afaka ny hahita; tahaka ireo jamba izy —ary tahaka ny maty aza. Ahoana izany no hahafahany handeha tsara “mba tsy hitondran[y] tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry”? (Efesiana 5. 14-15).

Ohatra sasantsasany, ao amin’ny Soratra Masina, momba ny olona izay misongadina noho ny fahajambany ara-batana sy ara-panahy

Azo antoka fa efa tonga eo amin’ny fiafaràn’ny fotoam-pahasoavana isika. Ao amin’ny Soratra Masina dia miverina imbetsaka fa ny fiafaràn’ny fizaràm-potoana iray dia voamariky ny toe-pahajambana.

  • Ely, ilay mpisorona (1 Samoela 2-3)

Ary rehefa nanomboka hifarana ny fotoanan’ny Mpitsara, ka hatsangana ny mpaminany voalohany (Samoela), dia nibaribary teo amin’ny fisoronana ny tsy fahatokiana. Ny zanakalahin’i Ely dia nanitsakitsaka ny zon’i Jehovah sy ny an’ireo mpino tonga mba hitsaoka. Tao anatin’izany toe-javatra izany dia tsy nisy teo amin’i Ely ny fahatakarana ara-panahy izay tokony ho nitondra azy hiatrika ny andraikiny. Marina tokoa fa ny masony dia nanomboka ho nanjavozavo, ka tsy nahita izy. Ary koa: “Efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy” (1 Samoela 3. 2; 4. 15). Efa fantany tokoa fa ratsy ny ataon’ireo zanany lahy, ary nijaly noho ny fitondràntenan’izy ireo mihitsy izy ka nananatra azy (2. 22-24), kanefa tsy takany izay zavatra tokony ho nataony. I Ely dia lehilahy mpivavaka, kanefa dia tsy ampy teo aminy ny hery nilaina hampiharana ny fahefana nananany; tsy nisy teo aminy ny fahatakarana ara-panahy ho amin’izany (2. 27-36; 3. 12-13).

Tsy ampy ny hoe mahita ny zava-dratsy, ny tsy mankasitraka izany, fa tsy maintsy atao ny hisarahana amin’izany. Maro ny zavatra, na dia amin’izao fotoanandro ankehitriny izao aza, no afaka mihazona ny kristiana mpivavaka iray, izay mahita ny ratsy ary mijaly noho izany, nefa tsy misaraka aminy. Ohatra amin’izany ireo fifandraisana ara-nofo, ireo fihetseham-po izay atao ambonin’ny zavatra rehetra.

Fankatoavana sy fahatokiana toa inona ny an’ireo zanakalahin’i Levy! Nanangana ny sabany hamelezana ireo rahalahiny izy, ireo mpiara-dia aminy, ireo namany akaiky, na dia mafy tamin’izy ireo aza izany; nankarary fo tokoa ny nanatanteraka ny baikon’i Jehovah, Izay niteny tamin’izy ireo tamin’ny  vavan’i Mosesy, kanefa dia navelany ny fihetseham-pony, satria ny voninahitr’i Jehovah no laharam-pahamehana! Ho an’i Ely koa, dia mavesatra tokoa ny hanafay ny zanany, hany ka nihemotra teo amin’ny fanatanterahana io adidiny io izy; noho izany, dia nampitondrain’Andriamanitra izao teny izao izy: “Ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho” (1 Samoela 2. 29-30; jereo Matio 10. 37). Tao anatin’ny fahajambany dia ny fihetseham-pony no nataony alohan’ny voninahitr’i Jehovah. Angamba nieritreritra izy fa, na dia tsy mankasitraka ny ratsy ataon’ny zanany aza, dia afaka ihany mandefitra amin’izany, mamela ny helony? —Fahajambana re izany!— Tsy nahatazona ny zanany i Ely, tsy nisaraka tamin’ny ratsy izay nataony, hany ka dia miombona antoka amin’izany (jereo 1 Samoela 2. 29; mariho ny hoe “ianareo” izay mahatafiditra an’i Ely ihany koa). Noho izany dia hahatak’Andriamanitra izy! Tena zavatra matotra izany. Na dia mivavaka aza izy dia noheverina ho toy ny mpisorona tsy mahatoky, satria niteny Andriamanitra hoe: “Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy” (and. 35).

  • Ny mponina tao Jabesy (1 Samoela 11. 1-2)

Ny Amonita, izay fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra, ka namoahana didy masiaka tokoa (Deoteronomia 23. 3-4), dia niakatra ka nitoby tandrifin’i Jabesi-gileada. Ny mponina tao Jabesy dia nihemotra teo anoloan’ny ady izay tsy maintsy hatao amin’ny fahavalo, ka naleony nanao fifanekena taminy, ary vonona ny hanompo azy izy ireo. Tamin’izany fifanekena izany dia nametraka fepetra iray i Nahasy Amonita: “Hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra” (and. 2). Ny tsy fananana hery hoenti-miady, ny fanadinoana ny toerana fisarahana tokony hananan’ny vahoakan’Andriamanitra, ny firaisana amin’ny ratsy na toa inona na toa inona, dia hitondra hatrany amin’izao vokatra izao: maso ankavanana voapotsitra, fahosan’ny fahitana ara-panahy.

  • Samsona (Mpitsara 16)

Afaka nisambotra an’i Samsona ny Filistina, ka namotsitra ny masony, satria ny heriny dia niala tao aminy: “Jehovah efa niala taminy” (and. 20). Nahoana no nisy izany? Satria veriny ny toetra iray maha-Nazirita azy! Ilay  tokony ho “Nazirita ho an’Andriamanitra… hatrany an-kibon-dreniny” (13. 7) dia namboraka ny tsiambaratelon’ny heriny, ary nandalo tamin’ny lohany ny hareza. Ny anton-javatra mitovy dia miteraka vokany mitovy hatrany: raha tsy olona “natokana” intsony isika, raha toa ka tsy mampiseho ny toetra maha-Nazirita isika, dia tsy hanan-kery ara-panahy, tsy hanana fahatakarana ara-panahy.

  • Zedekia (2 Mpanjaka 25. 1-7)

I Zedekia, izay mpanjaka farany tamin’ny Joda, dia voapotsitra maso ihany koa (and. 7). Tahaka ny tamin’i Samsona dia fitsaràn’Andriamanitra koa izany. I Zedekia dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah. Nandà ny hanetry tena izy, raha nandre izay nolazain’i Jeremia, teny avy amin’Andriamanitra; nolaviny ny fahefan’i Nebokadnezara, na dia nampianiana azy teo imason’Andriamanitra aza io mpanjaka io; nohamafisiny ny hatony sy ny fony mba tsy hiverina ho amin’i Jehovah (2 Tantara 36. 12-13). Ny fitondràntena toa izany dia mandray ny famaizana sahaza azy. Ny fahajambana dia mety ho fitsaràna ara-panjakana, ho amin’izay mandeha amin’ny lalan’ny tsy fankatoavana, ary ho amin’izay manao tsinontsinona ny fampitandreman’Andriamanitra sy ny zavatra tsy tiany, ka tsy manaiky ny hihaino Azy sy hanetry tena. Hitantsika fa toy izany ny nahazo ny vahoakan’i Israely.

Ireo sakana amin’ny fahatakarana ara-panahy eo amin’ny mpino

Ny tsy fahampian’ny fahatakaran’ny mpino dia matetika miaraka amin’ny toetra maha-zaza ara-panahy azy (Hebreo 5. 12); izany no antony iray nahafahan’ny fampianaran-diso, indrisy, mora nihanaka teo amin’ny tontolo kristiana. Maro ireo kristiana izay nijanona ho “mbola zaza” (Efesiana 4. 14), kanefa dia tokony hivelatra sy hitombo “amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3. 18).

  • Ny tsy fahampian-tsakafo tovozina avy amin’ny Tenin’Andriamanitra

Raha “araka ny nofo” isika, fa tsy mamelona ny fanahintsika amin’ny Teny sy i Kristy ao amin’ny Teny, dia hijanona —tahaka ny Korintiana fahiny (1 Korintiana 3. 1-2)— ho olona zeny ara-panahy. Ary hisy izany, na dia eo aza ny fihamboana rehetra ho manam-pahalalana sy manana hery! Ny fianarana ara-tsaina tsotra fotsiny ny Baiboly dia tsy hanampy velively ny mpino hivelatra (ho sakana aza izany), satria ireo fahamarinana ao amin’ny Boky masina dia tokony handramana sy tsapa ao am-po, izay nandrotsahana ny fitiavan’Andriamanitra, hany ka henon’ny feon’ny fieritreretana efa za-draharaha ny haranitry ny Teny. Amin’ny alalan’izany ihany no hampanankarena ny fiainana ara-panahy, ary hampifanaraka ny fandeha andavanandro amin’ny fihevitr’Andriamanitra.

  • Ny famelàntsika ny eritreritsika manokana na ny fihetseham-pontsika hanjaka

Ny tsy fisian’ny fahatakarana dia matetika mitondra ny mpino ho voatariky ny  fihetseham-pony manokana ihany.  Firifiry, ohatra, ireo sahirana hanazava ny anton’ny iankinany amin’izatsy anarana izatsy, fa tsy amin’izaroa? Nahita fifandraisam-po kely izy, nampisehoana fitiavana izay nampihetsi-po, ary izany, raha ny tena marina, no nahatapa-kevitra azy. Raha zohina, dia mampiseho fitiavan-tena ihany izany: tsy toy ny miteny hoe ho any am-piangonana ho an’ny tena ve, fa tsy hankany ho an’Andriamanitra? Mifanohitra amin’izany, raha nandray tamin’ny finoana fa Andriamanitra no te hampivory ny olony, dia ho voatarika hitady ao amin’ny Teniny ireo fampianarana izay omeny momba izany isika. Tsy ny fihetseham-po voajanahary intsony, izany, no hitarika antsika, fa ny Tenin’Andriamanitra.

Raha toa ka nampahafantarina izany isika, noho ny  fahasoavana, tsy mety ho tsy ampy fahatakarana ve isika, indraindray, na momba ny fandehantsika tsirairay, na momba ny fiainam-piangonana sy ny fitondrana azy? Eto koa, ny fihetseham-po ara-boajanahary dia indraindray manan-danja kokoa noho izay zavatra hany tokony hitari-dàlana antsika. Hieritreritra izany akory ve isika, raha tena feno sy voafahana an’i Kristy ny fanahintsika, hany ka manjary tsy afaka ny hamela zavatra na inona na inona hanan-danja kokoa noho ny voninahitry ny Tompo sy ny tombontsoany et an-tany isika?

  • Ny fironana hanao izay mahafinaritra ny fo ara-boajanahary

Mba hahafahantsika “mamantatra ny zavatra tsara indrindra”, dia ilaina “ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra” (Filipiana 1. 9-11)— izany hoe, tokony hitombo sy hitondra vokatra ny fiainana araka an’Andriamanitra ao anatintsika. Mifanohitra amin’izany, raha toa ka mitady izay mahafinaritra ny fontsika ara-boajanahary isika, dia tsy hanana ny fahatakarana ilaina momba ny zavatra an’Andriamanitra. Angamba, eo amin’ny tranga izatsy na izaroa, dia haniry ny hahatoky isika, hanao ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa tsy ho haintsika ny “hahita” izay angatahiny. Iza no mbola tsy niaina izany?

Noho izany, raha miaina “araka ny nofo” isika dia tsy ho ampy fahatakarana eo amin’ny zavatra ara-panahy, ary ho vokatr’izany dia havelantsika hotarihin’ny fisainan’ny fontsika manokana isika, fa tsy hotantanan’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ny fizotra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ary ny fisarahana amin’ny ratsy no ahafahana mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra

Milaza amintsika ny apostoly Petera fa ny olona izay tsy mampiseho ny toetran’ny olom-baovao dia “toa jamba” (2 Petera 1. 5-9).  Tsy mahatakatra ny momba ny toetrany akory izy, koa ho azony ve izay fihevitr’Andriamanitra? Mba hahatonga antsika ho afaka mamantatra “ny sitrapon’Andriamanitra” (Romana 12. 2) dia tsy maintsy mandeha andavanandro ao amin’ny fahatahorana Azy isika, misaraka amin’ny ratsy ary miaina ny fiainan’i Kristy. “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”, izao tontolo izao izay misongadina amin’ny fiasan’ny sain’olombelona sy amin’ny haizina, izay i Satàna no mpanjakany. Izany no fisarahana ivelany; tsy maintsy vokatry ny tena fisarahana anatiny ho an’Andriamanitra izany: “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina.” Ny mpino mahatoky dia hiala tsy hanaraka izay rehetra fanaon’izao tontolo izao —ara-piarahamonina, ara-politika na ara-pivavahana— satria manana toetra vaovao tsy maintsy mitarika fomba fisainana sy fihetsika vaovao izy. Voaova ny fisainany, fiovàna izay natao indray mandeha tsy miverina, satria ny olom-baovao dia voary vaovao tanteraka, fa tsy vokatry ny fihatsaran’ilay olona taloha. Arakaraka ny hiainan’ny mpino ny fiainan’ilay olom-baovao no hampisy ny fisarahana anatiny, izay miteraka ny fisarahana ivelany manova antsika, na manova endrika antsika. Io fiovàna io dia azo avy amin’ny fibanjinana “ny voninahitry ny Tompo” (2 Korintiana 3. 18), satria Izy no nanome antsika ny fiainam-baovao, Izy koa no antony sy sakafon’izany fiainana izany. Rehefa “voaova” toy izany isika dia tsy ilay avy amin’ny fo voajanahary intsony ny fisainantsika, fa mifandrindra amin’ny fisainan’Andriamanitra, hany ka afaka mamantatra ny sitrapony isika. Io sitrapony io dia “tsara sady ankasitrahina no marina”. Ny fo voaova irery ihany no afaka miteny izany marina. Mifanohitra amin’izany, ho an’ny toetra taloha, ho an’ny mpino izay miaina “araka ny nofo”, ny sitrapon’Andriamanitra dia enta-mavesatra, ary tsy mampiseho na dia ny iray amin’ireo toetra telo izay vao notsahivintsika teo ireo aza. “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany” (Romana 8. 7). Eto izany dia misy fisedrana: raha enta-mavesatra ho antsika ny sitrapon’Andriamanitra (izay tsy nofantarintsika, nefa naseho antsika), dia mivelona “araka ny nofo” isika. “Tsara sady ankasitrahina no marina” izy, ho an’izay nanaraka ny fampirisihana ao amin’ny Romana 12. 2. Manazava antsika tokoa izany ny amin’ny toetrantsika marina!

Ny fanafody araka an’Andriamanitra amin’ny toe-pahajambana eo amin’ny kristiana

Ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fiafaràn’ny tantaran’ny Fiangonana tompon’andraikitra dia misy fampianarana mahakasika indrindra ny kristiana amin’izao fotoana izao, satria dia efa eo amin’ny fiafaràn’io tantara io izy.

  • Ny antson’ny Tompo ho an’i Laodikia (Apokalypsy 3. 14-22)

Ny toetra iray misongadina eo amin’i Laodikia dia ny fahajambana! Ny mbola ratsy kokoa noho izany aza, dia tsy azony an-tsaina akory izany: “Tsy fantatrao fa ianao no… jamba…” (and. 17). Ny fiangonana tao Laodikia dia nirehareha tamin’ny zavatra rehetra izay noheveriny fa nananany, ary nihevitra fa tsy mila na inona na inona.  Tena tsy dia nahalala firy ny tena toetrany izy! Tsy azony an-tsaina ny fahoriany, ny fahantrany, ny fahajambany. Tsy fantany ny zavatra araka ny fihevitr’Andriamanitra. “Ny zava-drehetra tao, araka ny voalaza, dia maizina raha ny amin’ny fahamarinana, ary tsy azo antoka raha amin’ny fitsarana ny ratsy.”

Fa eo ny fanafody ho an’i Laodikia, ary koa ho antsika rehetra ankehitriny: “Manoro hevitra anao Aho hividy amiko… ody maso, hahosotrao ny masonao, mba hahiratanao.” Tsy maintsy mankany Aminy hoe? Raha “mividy” dia tsy maintsy mandoa, ary ny vidiny dia ny fahafoizana izay rehetra mahafinaritra ny fo ara-boajanahary, izao tontolo izao sy ny filàny, izay rehetra avy amin’ny nofo, na ny nofo amin’ny toetrany ara-pivavahana aza, satria nofo hatrany izany. Tao Laodikia dia nitady ny fahafaham-pon’ny fo ny olona, nanaiky hotarihin’ny fihetseham-po manokana, tsy nieritreritra afa-tsy ny tena, raha halalinina. Tsy maintsy petahina vy mahamay izany rehetra izany, tsy maintsy iainana ny Romana 6. 11; Galatiana 2. 19-20; 5. 24-25; 6. 14  —na dia maharary ho an’ny nofo aza izany. Ary dia hitodika any amin’i Jesosy ny fo! Tsy misy fahajambana intsony rehefa mifantoka amin’io zavatra iray io ihany ny maso! —“Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra” (Matio 6. 22). Amin’izany dia tsy hisy intsony zavatra hanakana ny asan’ny Fanahy Masina, Izay afaka miasa tsy amin’alahelo, ary tonga mameno ny fo amin’i Kristy. Rehefa nahiratry ny ody maso avy amin’Andriamanitra ny maso, dia ho hita indray ny fahatakarana ara-panahy, izay vokatry ny ny fananantsika “hosotra avy amin’Ilay Masina”.

  • Ireo fitaovana izay eo am-pelatanan’ny mpino tsirairay mandrakariva

Ny fitaovana rehetra ilaina dia eo am-pelatanantsika: “Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (2 Petera 1. 3). Tsy manana fialàn-tsiny isika, ary meloka tokoa raha toa tsy mampiasa izany. Mpiray fomba amin’Andriamanitra isika, dia ny toetran’Andriamanitra ara-moraly, koa lasa afaka, noho ny fiasan’ny Fanahy Masina ao anatintsika, hamokatra voa avy amin’io toe-tena io, hampifandray tendro ny tsirairay amin’ireo toetrany: hatsaram-panahy, fahalalana, fahononan-tena, faharetana, fitiavam-bavaka, firahalahiana, fitiavana. Raha ao amintsika ireo zavatra ireo, ary be dia be, dia hampiseho asa masina isika, ary hamokatra amin’ny tena atao hoe fiainana kristiana marina: ny fahalalana ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Jesosy Kristy. Amin’izay fotoana izay dia “mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa…”, fa “mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha…” (Efesiana 4. 13-16). “Mba ho fantatro Izy…” (Filipiana 3. 10), izany no tanjon’ny kristiana. Izany fahalalana izany no ambaratonga avo indrindra amin’ny fivelarana ara-panahy: ireo “ray” dia mahafantatra Ilay hatramin’ny voalohany (1 Jaona 2). Tena mifanohitra amin’ny toe-jaza, izay, amin’ny ankapobeny, miaraka amin’ny tsy fahampian’ny fahatakarana ara-panahy izany! Manampy ny apostoly Petera hoe: “Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba…” (2 Petera 1. 9).

  • Ny fiekena ny toe-tenantsika marina, mba ahazoana “ny ody maso” avy

amin’Andriamanitra

Toa inona no tokony hanetrentsika tena amin’ny tsy fisian’ “ireo zavatra ireo” firy ao anatintsika! Tsy mampiseho firy ireo toetra samihafa ireo isika, tsy ampy fifankatiavana, tsy ampy indrindra ny tena fitiavana marina. Raha manana fahitana ara-panahy mazava isika dia hanana fitondràntena antonona amin’ny tsirairay, fiteny sahaza —fiteny “ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” (Kolosiana 4. 6)— ary amin’izany dia hitondra soa ho an’ny rahalahintsika isika, ary koa ho an’ “ireo eny ivelany”, hiasa hahasoa azy ireo. Izany no mampisongadina ny fitiavana araka an’Andriamanitra.

Fa indrindra indrindra, ny fahatakarana, izay tena tsy ampy ao amintsika, dia hanokatra ny masontsika ny amin’ny toetrantsika manokana, ka, amin’ny fitsaràntsika ny tenantsika, dia hitady vonjy sy fitarihana amin’Ilay te hanampy sy hitarika antsika. Toa inona ny dingana efa ho vitantsika, raha toa ka tena mahatsapa marina ny momba antsika isika, ny momba ny ankohonantsika, ny rahalahintsika, ny fiangonana! Any no tokony hatomboka voalohany. Enga anie Andriamanitra hanefy antsika tsirairay amin’izany!

Ry mpamaky mbola tsy niova fo, izay mbola mitoetra ao amin’ny haizina, manatòna an’i Jesosy, Izay “fahazavan’izao tontolo izao”, mba hanananao “ny fahazavan’aina” (Jaona 8. 12). Aza miandry ho tara loatra, satria “indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6. 2); “avy ny alina” ho an’ny tsy mpino! hoy ny Tompo.

Ary isika izay “zanaky ny mazava”, noho ny fahasoavan’Andriamanitra,dia maniry marina handeha eo amin’ny fahazavana. Aoka isika hiaina isanandro amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy amin’ny fisarahana amin’ny ratsy. Aoka hahay hiaiky eo anatrehany ny tsy fahampian’ny fahatakarantsika isika; aoka hohenointsika ny torohevitr’Ilay manasa antsika hividy Aminy ny ody maso hanosorana ny masontsika, mba hahiratantsika!

Avy amin’ny lahatsoratr’i Paul FUZIER (“Messager Evangélique” 1949-pejy 253)