#FAMPIANARANA Ny Fanahy Masina (tapany voalohany)qs

Tamin’ny Fampianarana momba ny Trinite isika dia afaka namantatra ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny nanambarany ny Tenany ho Telo izay Iray. Hitantsika tamin’izany fa ireo Fiavahana 3 tsirairay ireo ao amin’Andriamanitra (Ray-Zanaka-Fanahy Masina) dia samy enti-manondro sy afaka manondro Azy Andriamanitra Tokana avokoa. Raha efa nanisy teny momba ny Ray sy Zanaka isika tamin’ireo Fampianarana momba ny Anaran’Andriamanitra sy momba an’i Jesoa Kristy, dia amin’ity herinandro ity kosa no hohalalinintsika manokana ny momba ilay fiavahana fahatelo ao amin’Andriamanitra dia ny Fanahy Masina.
Izao Fampianarana tanterahina izao izany dia Fampianarana izay antsoina hoe Pneumatologie izay miresaka momba ny Fanahy Masina (grika: pneuma – midika hoe Fanahy + logos – midika hoe teny na lahateny). Ny Mpampianatra Lehibe indrindra anefa dia ny Fanahy Masina ka tsy sanatria hilaza ho mahafehy ny Fanahy Masina akory izany raha manao izao Fampianarana izao fa miteny ny momba Azy kosa araka izay navelany ho hay ka nanehoany ny maha-Izy Azy araka ny Soratra Masina izay. Izany rehetra izany dia ny hitondrana fahazavan-tsaina ho antsika mba hitomboantsika mandrakariva amin’i Kristy. Tsara ny manamarika fa fijery teôlôjia sistematika ny momba ny Fanahy Masina no itondrana izao Fampianarana izao fa tsy teôlôjia biblika. Izany hoe fijery mamakivaky ny Baiboly manontolo fa tsy ampahana boky fotsiny ihany.
Ny voambolana voalohany tsy maintsy fantarina àry raha hiditra amin’izao Fampianarana izao isika dia ny voambolana hoe “Fanahy” satria tamin’ny herinandro lasa isika dia efa nifankahafantatra betsaka tamin’ny voambolana hoe “Masina” indrindra raha ny momba an’Andriamanitra. Teny Malagasy moa ny hoe “Fanahy” fa raha ny teny hebreo izay nanoratana ny TT dia ny voambolana hoe “rouach” no ampiasaina. Amin’ny teny grika izay nanoratana ny TV kosa dia ny voambolana “pneuma” no ampiasaina sy andikàna io rouach io ao amin’ny Septanta. Raha miresaka ny rouach isika dia marobe ireo heviny araka ny TT: rivotra – fofonaina – herim-pahavelomana (force vitale) – fanahy (un esprit) – angovo (énergie) – retsim-pahalalana (faculté sensible) . Raha vao miresaka io rouach io izany, indrindra ao amin’ny TT dia manambara zavatra – tsy an’Olombelona – fa an’Andriamanitra. Ireo heviny rehetra ka mahakasika ny Olona dia tsy maneho azy velively ho toy ny singa iray raiki-tapisaka amin’ilay Olona, na novokarin’izy tenany sy fananany manokana, fa manasongadina azy kosa ho fanomezana sy zavatra natolotra avy eny ivelany. Raha tsy hijery isika ohatra afa-tsy ny fofonaina, izay adika amin’ny teny firantsay hoe souffle de vie: Andriamanitra no nanome izany ary any Aminy no iverenany (Mpit 12, 7).
Ny Fanahy izany dia manambara indrindra ny tontolon’Andriamanitra (dimension divine) izay mifanatrika amin’ny Nofo antsoina amin’ny teny hebreo – basar, izay enti-milaza ny tontolon’ny Olombelona. Raha miteny ny momba an’Andriamanitra amin’ny hoe rouach – pneuma dia voambolana enti-manambara kokoa ny tsy maha-voafetra Azy sy ny maha-tsitoha Azy izany. Enti-manambara ny Olona amin’ny maha-izy azy manontolo (fanahy – âme sy vatana) izay voafetra sy malemy, kosa ny hoe nofo – basar. Aty amin’ny TV moa dia miampy heviny miiba kokoa izany hoe Nofo izany ho an’i Paoly (grika: sarx) satria dia manondro ny “maha izy antsika gejain’ny Ota mpirona ho amin’ny ratsy izany”. Io fifanatrehana eo amin’ny maha-Izy an’Andriamanitra tsy voafetra sy mahery an-kilany ary ny Olombelona malemy sy voafetra an-daniny io no hazavain’ny Jao 4, 24 manao hoe “Andriamanitra dia Fanahy”. Izany hoe: Andriamanitra dia tontolo hafa (Fanahy) fa tsy tahaka ny antsika Olombelona – nofo izay mora simba sy voafetra.
Izany rehetra izany no manome fahatakarana ho antsika ny maha-Izy Azy ny Fanahy Masina izay iray amin’ireo fiavahana 3 ao amin’Andriamanitra ka enti-manondro sy afaka manondro Azy Andriamanitra tokana. Misy toetra anankiefatra tsy azo sarahina fonosin’ny teny hoe Fanahy Masina dia:
1- Ny maha-loharanom-piainana Azy, izay efa fantatsika fa ny Fahamasinan’Andriamanitra dia hery loharanom-piainana sy loharanon’ny fisiana. Ny Sal 33, 6 dia manambara fa ny “Tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra”. Ao amin’izany maha-loharanom-pisiana Azy izany koa noho izany no hitanany ny maha-izy ny zavatra rehetra (essence des choses) ary ny ita momba ny zavatra rehetra (données & informations). Tsy mahagaga raha loharanom-pahalalana ny Fanahy Masina. Na dia tsy inoan’ny tsy mino aza, ireo voka-pikarohana ara-tsiantifika rehetra hita momba izao tontolo izao (découverte) dia fanomezan’ny Fanahy Masina avokoa.
2- Ny maha-hery miasa Azy ka hita miantraika sy tsapa ny vokatr’izany asa izany fa tsy mijanona ho misavoan-danitra fotsiny. Nisiam-piainana Izy saingy angovo mampiodina izao rehetra izao ihany koa (l’Energie universelle). Antsoina amin’ny fomba siantifika (fomba miorina amin’ny fanandramana sy ny fanamarinana) hoe énérgie – angovo izany saingy anisan’ny maha-izy ny Fanahy Masina no ambaran’izany angovo izany. Izy no hery mihazona ny fahaveloman’ny zava-manan’aina (Job 33, 4). Mijanona ho matiera tsy mihetsika fotsiny ireo sokajiana ho zava-manan’aina raha tsy eo ny angovo manetsika azy.
3- Ny maha-tsy hita Azy, ka tsy takatry ny sain’Olombelona (incomprehensible) ny fiasany satria miafina. Tsy hay faritana (infini) ny halehibiazany ary tsy voafehy (incontrolable) ny asany. Ohatra: Izy no manetsika ny olona iray na maro amin’ny fomba tsy fantatra (na mpino na tsy mpino) hanampy ny olona izay sitrak’Andriamanitra ampiana. Mampiseho ihany koa ny tsy mampisy rafi-batana Azy izany (incorporéité) ka tsy hay fariparitana na dia azo tsapain-tànana aza ny asany.
4- Ny maha tsy mety maty Azy (immortel) ka tsy voafetra sy mety simba tahaka ny Olombelona. Izy no antsoina hoe Fanahin’ny Fitsanganana (Rom 8, 11) izay mampiseho indrindra ny tsi-fananan’ny fahafatesana fahefana Aminy. Ao Aminy no fahapotehan’ireo sarim-pahafatesana efa misy ankehitriny (hakiviana, famoizam-po…). Ao Aminy ihany koa noho izany no hahatanterahana ireo fanasitranana sy fahagagana maro (Rom 15, 19). Izy no miantoka ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty izay tranga tena ivelan’ny maha-izy ny Olombelona (surnaturel). Mitoetra maharitra mandrakizay Izy ka sady tsy nisy fiandohana no tsy misy fiafarana.
Izany rehetra izany no toetra asehon’ny teny hoe Fanahy Masina izay fiantsoana ny fiavahan’ny fomban’Andriamanitra iray izay ao Aminy. Satria na dia naneho tamin’ny fahafenoana ny Tenany ho hita tao amin’i Jesoa aza Izy Andriamanitra (Kol 2, 9), dia nijanona hatrany amin’ny maha-tsy hita Azy. Efa hitantsika izany Zava-miafin’Andriamanitra lehibe izany, dia ny nitsofohany tao anatin’ny Fotoana (Zanaka) na dia mitoetra ho ivelan’ny Fotoana aza Izy (Fanahy Masina).
Ny Fanahy Masina araka izany dia Izy Andriamanitra Velona ao amin’ny fombany tsy hita sy tsy azo tsapain-tànana kanefa miasa manerana izao rehetra izao. Azontsika sary an-tsaina amin’izany ny fahalehibiazan’ny maha-Izy ny Fanahy Masina izay tsy ho takatra velively ny fomba fiasany sy ny hoe ahoana no fanatanterahany izany. Mahagaga anefa, fa izany fahalehibiazan’Izy Andriamanitra izany mihitsy no natolony, nampitoeriny maimaim-poana ao amin’ny mino ho Santatry ny lovan’izy ireo ho avy. Koa hojerentsika manaraka izao Fampianarana izao ny momba ny Fanahy Masina sy ny Asany araka ny Soratra Masina, izay hohalalinintsika misimisy kokoa araka izay fahafahana ananantsika.
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany

#FAMPIANARANA 062: Ny Fanahy Masina (tapany faharoa)
Ny Fampianarana teo aloha dia nahitantsika ny maha-Izy Azy ny Fanahy Masina izay asehon’ireo toetra efatra tsy azo sarahina. Tsy singa mandrafitra Azy akory ireny fa tena izay maha-Izy Azy tokoa amin’ny maha-Andriamanitra Velona Azy. Na dia mitoetra amin’ny maha-tsy hita sy tsy azo tsapain-tànana izay aza anefa Izy, ny Asan’ny Fanahy Masina kosa dia mivaingana. Efa hitantsika rahateo ohatra, fa ny mampiodina izao rehetra izao dia noho ny fisiana angovo mampiodina azy, izay tsy inona fa noho ny Asan’ny Fanahin’Andriamanitra miasa manerana izao tontolo izao. Andeha kosa anefa isika hifantoka manokana amin’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny Olona ka handalinantsika izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny Fanahy Masina mahakasika izany. Raha miresaka izany anefa isika dia tsy maintsy mikasika kely ny fianarana ny maha-olona na izay antsoina hoe antrôpôlôjia. Efa nahita izany ihany isika tamin’ny Fampianarana 020 saingy hohamafisina kely sady mandalina bebe kokoa hatrany rahateo. Hitantsika fa ny Olombelona rehefa noforonin’Andriamanitra dia « zava-manan’aina velona » (âme vivante) araka ny Gen 2, 7. Izay mahatonga azy ho toy izany dia noho ny herim-pahavelomana – force vitale (hebreo : rouach) nampindramina azy ka rehefa miala io (Mpit 12, 7) dia tonga maty izy. Io fofonaina io, dia tsy inona fa ASAN’ILAY Fanahin’Andriamanitra amin’ny maha-loharanom-piainana Azy (Sal 33, 6 – Job 33, 4). Avoitra mazava fa « tsy ny Fanahy Masina akory io – fa ASANY). Ny Fahariana voalohany àry dia tena Asan’ny Fanahy Masina tokoa (Gen 1, 2).
Koa raha ny Testamenta Taloha manontolo no halalinina momba ny antrôpôlôjia dia tsy mampiavaka ny « fanahy – âme » (nephesh) amin’ny « fanahy – esprit » (rouach) izy fa mampimira zotra ireo kosa (Job 7, 11 ; 12, 10 – Isaia 26, 9 sns). Tsy ao amin’ny Testamenta Taloha velively izany ny resaka izay antsoina hoe « trichotomie » – izany hoe misy ampahan-javatra telo ao amin’ny olona (vatana, fanahy – âme, fanahy – esprit) ; na koa ny antsoina hoe « dichotomie » – izany hoe misy ampahan-javatra roa (vatana sy fanahy – âme). Ho an’ny Testamenta Taloha izay nolovain’ny Testamenta Vaovao ihany koa, ny Olombelona dia TOKANA TSY AZO SARAHINA. Ny Olombelona ho azy dia takatra amin’ny hoe « organisme physico-psychique » – izany hoe « mivelona miray tsy azo sarahina ny maha-izy azy hita maso mivaingana ny Olombelona sy ny eritreriny ao anatiny ». Rehefa miala amin’ny Olombelona ny fofonaina ilay Asan’ny Fanahin’i Jehovah, dia maty manontolo izy (vatana sy fanahy – âme) araka izay efa nahitantsika izany tao amin’ny Fampianarana 020.
Maha-izy ny Olombelona rehetra maneran-tany io ambara io, satria dia io no namoronan’Andriamanitra antsika. Omen’ny Soratra Masina fomba fiantsoana manokana izany maha-izy antsika « mandalo » sy « mety maty » izany hoe:
– « ny nofo rehetra » (hebreo : Kal basar – grika : pasa sarx) araka ny Gen 6, 12. –Isa 40, 6 – Jer 25, 31 – Mat 24, 22 sns
– « zava-manan’aina rehetra » (hebreo : Kal hanephesh – grika : pasa psuché) araka ny Jos 10, 28 – Asa 2, 43 – Rom 2, 9 – Rom 13, 1 sns
Ireo voambara ireo no Lova na Lasitra maha-izy antsika azo avy amin’ny Adama Voalohan-dahy izay natao manan’aina (1Kor 15, 45).
Fantatsika anefa fa misy Fahariana Vaovao nataon’Andriamanitra nanomboka tamin’i Jesoa Kristy (Jereo Fampianarana 025) ilay antsoin’ny Apôstôly koa hoe « Adama farany, fanahy mahavelona » (1Kor 15, 45). Io Fahariana vaovao io dia asehon’ny mpanoratra ny filazantsara araka an’i Jaona amina sary hoe « fahateraham-baovao ». Izany dia lazainy hoe « Fahaterahana indray » avy amin’ny rano (Tenin’Andriamanitra) sy ny Fanahy (Jao 3, 5). Misy taranaka « voaary vaovao » (nouvelle créature) koa izany nipoitra avy tamin’ilay Adama farany, fanahy mahavelona. Ny maha-izy izany « voaary vaovao » izany dia izay ambaran’ny Jao 3, 6 manao hoe « izay ateraky ny nofo dia nofo (Adama Voalohany) ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy (Adama Farany) ». Zava-baovao mahakasika ny maha-Olona araka izany no entin’io Fahariana Vaovao izay Asan’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra io. Efa hitantsika tamin’ny Fampianarana 061 fa ny hoe « nofo » dia enti-milaza ny maha-izy ny Olona voafetra sy malemy. Ny « Fanahy » kosa dia enti-manambara ny tontolon’Andriamanitra (dimension) tsy voafetra. Io maha-Izy io tontolon’Andriamanitra io indrindra anefa no ambara fa tonga ao amin’ny maha-Olona, mitsofoka ao amin’ny antrôpôlôjia. Ny pneuma araka ny Baiboly ambara eto ho ao amin’ny Olona izany, dia anjara nomena ity farany hidirany amin’izany tontolo ambonin’ny natiora izany (surnaturelle) .
– Tsara atao mazava anefa ny resaka fa NY OLONA MINO SY « NATERAKA INDRAY » no ambara eto FA TSY NY OLONA REHETRA.
Io pneuma na fanahy – esprit ambaran’ny Testamenta Vaovao io dia tena ASAN’Ny Fanahy Masina tanteraka. Fahariana Vaovao nataony io (Jao 3, 5).
Ny fanontaniana mipoitra dia hoe « inona izany io fanahy io ? ». Tsy milaza Singa manokana tonga mitambatra amin’ny Olona aloha ny Testamenta Vaovao. Tsy mitondra velively amin’ny hoe trichotomie sy dichotomie izany izy ka tsy araka izay hiheveran’ny sasany azy velively. Raha hazavaina tsotra, ny pneuma – fanahy dia tsy inona fa ny vokatry ny fihaonan’ny Fanahy Masina tamin’ny, fanahy – âme, ny Olona (saina, fihetseham-po, finiavana). Ny pneuma – fanahy (esprit) izany dia tsy inona fa ny saina voaova, ny fihetseham-po voaova, ny finiavana voaova ho vaovao ka mahatakatra sy tonga manana anjara amin’ny Tontolon’Andriamanitra izay tontolo ivelan’ny Fotoana. Tonga antsoina hoe « Olona ara-panahy » ny Olona tahaka izany, izay lasa manana anjara amin’ny tontolon’Andriamanitra, miaina sahady amin’ny tontolon’Andriamanitra. Izany rahateo ilay ambaran’i Paoly araka ny Rom 8, 16-17 manao hoe « ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika ». Izany TOETRA VAOVAO tamin’ny fampitoeran’Andriamanitra ny Fanahiny Masina ao amintsika izany no ambaran’ny Apôstôly hatrany hoe « Santatry ny lovantsika » (Rom 8, 23). Efa hitantsika tao amin’ny Fampianarana 022 fa tsy simban’ny fahafatesana io firaisantsika amin’ny Fanahin’Andriamanitra io na dia aorian’ny fialan’ny fofonaintsika aza. Ireo Olona, zava-manan’aina fotsiny, no voagejan’ny fiainantsihita aorian’ny fialan’ny fofonainy, fa ny Olona, fanahy, kosa dia tsy ananan’ny fiainantsihita hery intsony satria miara-midina aminy ao amin’izany tontolo izany ny Fanahy Masina fa tsy misaraka aminy (Rom 8, 38-39). Manohy ny fitohizam-pisiany aorian’ny fialan’ny fofonaina amin’ny Fitsaharana sy ny Fahasambarana izy ireo (Apok 14, 13). Izany rahateo no maha-tombony ny fahafatesana ho an’ny Olona mino (Fil 1, 21) satria misy làlana vaovao izorany indray miaraka amin’ny Tompo (Fil 1, 23). Tsy noho ny fananan’ny mino singa tsy mety maty anefa fa noho ilay fandraisany anjara amin’ny tontolo ambonin’ny natiora (surnaturelle) noho io Asan’ny Fanahy Masina io. Izany no tsy takatr’ireo karazam-piangonana maro momba ny fitohizam-pisiana aorian’ny fahafatesana araka izay efa nahitantsika azy.
Tsy miandry aorian’ny fialan’ny fofonaina anefa izany fa efa nomen’Andriamanitra iainana dieny ety ambany masoandro. Fifandraisana Vaovao tsy tahaka ny tamin’ny Adama Voalohany mantsy no aterak’io fahatongavan’ny Fanahy Masina io ao anatin’ny Olona ka mahatonga azy hanana Toetra vaovao. Izany no tanisain’ny Apôstôly ao amin’ny Gal 5, 22-23 manao hoe « fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana sns…. ». Fa ankoatran’izay dia misy fanomezana (grika : karisma) omen’ny Fanahy Masina ny Mino ihany koa izay zarazarainy ho samihafa araka izay Sitrany. Efa nisy izany tao amin’ny olon’ny Testamenta Taloha, saingy ny Fanahy Masina dia tsy mbola nomena ny rehetra sady tsy mbola tonga raiki-tapisaka ao amin’ny Olona. Tao ohatra ny fanomezana fahendrena manokana (Solomona), herim-batana (Samsona), fahaiza-mitarika (Mosesy), faherezana (Davida), fanasitranana sy fahagagana (Elisa) sns. Tanisain’ny Isaia 11,2 avokoa izany rehetra izany. Aty amin’ny Testamenta Vaovao ihany koa torak’izany, toy ny fanasitranana, fampianarana, fahalalana, fahendrena sns (1Kor 12, 4ss). Anjara ho an’ny Olona hiaina ao amin’ny tontolo ambonin’ny natiora izany (surnaturelle) – saingy tsara avoitra fa nomeny hiara-miasa hampandroso ny Fiangonana – Fiombonan’ny Olona masina – izany rehetra izany. Koa ny karisma dia tsy nataon’ny Fanahy Masina velively hisarahana, na hohindrahindraina mba hahatonga « fitsitokoana » (sekta). Ny « fampisarahana » dia Asan’ny Devoly (grika : diabolos – midika hoe fampisarahana) fa tsy Asan’ny Fanahy Masina. Ny Firaisana ao amin’i Kristy Jesoa irery no Voa hamantarana ny hazo (Mat 7, 19-23). Izany indrindra no mila tandremana amin’ireo karazana « miracle mon ami » etsy sy eroa.
Izany rehetra izany dia maneho ny Asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fifandraisany manokana amin’ny Olona tsirairay. Mbola hojerentsika manokana moa ny momba ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana amin’ny maha-rafitra mirindra azy (1Kor 14,33) na dia eo aza ny Kristiana tsirairay izay mandrafitra izany Fiombonam-be izany.
Hamaranana azy dia tsara atao fanamarihana eto fotsiny fa tsy misy an’izany hoe « rehefa mandray ny Fanahy Masina dia tsy maintsy miteny amin’ny « fiteny tsy fantatra » izany ». Ny fiteny tsy fantatra, izay heverina ihany koa hoe « fitenin’ny anjely » (1Kor 13, 1) dia anjara fidirana ho ao amin’ny tontolo ambonin’ny natiora (surnaturelle) tahaka ireo anjara hafa (fanasitranana, fampianarana, fahalalana sns) izay tsy natao ho an’ny olona rehetra fa araka izay hizaran’ny Fanahy Masina azy (1Kor 12,10-11). Tsy misy milaza izany hoe « tsy maintsy » izany ao amin’ny Soratra Masina na ny iray aza. Mitandrema ! Ny filazana toy ireny no hirika hidiran’ny Devoly (Mpampisaraka) hampisarahana ny samy Kristiana vokatry ny tsy fisian’ny fahalalana. Mamela azy ireo ! Fa ny fanontaniana tsotra dia hoe « Efa noraisinareo ve ny Fanahy Masina, fony vao nino hianareo?

#FAMPIANARANA 063: Ny Fanahy Masina & Tenin’Andriamanitra (tapany fahatelo)
Hitantsika tamin’ny Fampianarana teo aloha fa misy fahariana anankiroa ambaran’ny Soratra Masina : 1. Ny Fahariana voalohany izay hiainantsika hitantsika maso io – 2. Ny Fahariana Vaovao izay mahatonga antsika hanana pneuma – fanahy, na izay nambarantsika tsara hoe Toetra Vaovao. Raha fehezina fohy izay nambara momba izany dia azo lazaina toy izao : ny Mpino izay mino marina an’i Jesoa Kristy dia miaina Fahariana anankiroa mifanaingina izy : ny fahariana voalohany – ny fahariana vaovao. Mbola ho faty izy, noho ny fandovany ny Adama voalohany, saingy hitsangana amin’ny maty izy, noho ny Santatry ny Fanahy izay efa nampitoerina ao aminy ka efa iainany dieny izao sahady ihany koa izany fitsanganan amin’ny maty izany noho ny Toetra Vaovao izay teraka tao aminy. Na ny Fahariana voalohany na ny Fahariana vaovao anefa dia samy Asan’ny Fanahy Masina avokoa. Saingy tsy ny Fanahy Masina irery : ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra ! Rehefa mamakivaky ny Soratra Masina manontolo isika dia hahita ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra ho miara-droa mandrakariva (couple). Raha ny tononkira momba ny famoronana ao amin’ny Gen 1 ohatra dia hahitantsika fa « ny Fanahin’Andriamanitra dia nanomba tambonin’ny rano » ary tamin’ny alalan’ny « Teny » no naharian’Andriamanitra (Sal 33, 6). Ao amin’ny Jao 3, 5 ihany koa dia mbola miseho izany fiarahana izany amin’ny alalan’ilay teny hoe « ateraky ny rano sy ny Fanahy ». Matetika moa dia tsy azon’ny olona izany ka heverin’izy ireo fa « batisa » no ambara eo saingy ny Tenin’Andriamanitra no lazain’ny Tompo amin’io sary momba ny fahaterahana io. Tsy tokony hohadinoina fa ny rano dia famantarana enti-manambara ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Izany fiseho ho miara-droa eo amin’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra izany dia avoitran’ny Soratra Masina marobe. Tsy mahagaga izany, raha miverina mandinika ny momba ny Trinite isika izay mampiseho ny fiavahana mazava tsara eo amin’ny Teny sy ny Fanahy Masina, kanefa dia Iray ihany satria ao amin’Izy Andriamanitra Tokana.
Koa ny Fanahy Masina dia tsy afa-misaraka velively amin’ny Tenin’Andriamanitra (Fisainan’Andriamanitra miasa ka mampisy) fa miaraka hatrany ireo. Na tao amin’ny fahariana voalohany na ao amin’ny Fahariana vaovao, dia ireo mandrakariva no nahatonga sy mahatonga izany.
I Jean Calvin, ao amin’ny bokiny nosoratany raha miresaka ny antsoina hoe « témoignage intérieur de l’Esprit Saint » na ny « asa vavolombelona tanterahin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny olona » dia maneho ny – fifandraisana tsy misaraka eo aimn’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia maneho mazava fa :
– Tsy misy Tenin’Andriamanitra, izany hoe herin’ny Soratra Masina manan-kery amin’ny Olona iray, raha tsy misy asan’ny Fanahy Masina.
– Ary tsy misy herin’ny Fanahy Masina miasa amin’ny Olona iray raha tsy tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny famakiana ny Soratra Masina.
Tsy afa-misaraka ireo fa miaraka. Izany indrindra dia milaza mazava tsara fa ny Tenin’Andriamanitra ihany izany no hahafahantsika mandray ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masina irery no mahatonga ny Soratra Masina izay manambara ny Tenin’Andriamanitra amintsika hanan-kery. Ao amin’ny FIHAINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY no ANDRAISANA FANAHY MASINA. Raha voalaza araka ny Asa 2, 1-4 fa nandray ny Fanahy Masina ny Mpianatra, dia miseho eo amin’ny and-2 fa nisy « FEO » (grika : échos) tonga teo amin’izy ireo. Io voambolana io anefa dia nampiasain’i Lioka mandrakariva tamin’ny hoe « akon’ny lazan’i Jesoa sy ny Fampianarany ». Eo amin’ny and-3 ihany koa dia milaza « LELA » (grika : glossa) izay azo adika koa hoe « FITENY » izay tonga nitoetra teo amin’ny olona tsirairay avy izy. Avy amin’izay rehetra izay vao mampiditra ny and-4 hoe « ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ». Ny fahafenoan’ny Fanahy Masina eo amin’ny Kristiana izany dia tsy afa-misaraka velively amin’ny fahafenoan’ny FEO (akon’ny Fampianaran’i Jesoa) sy ny TENY (aseho amin’ny hoe lela) mitoetra eo amin’ny tsirairay avy. Asehon’ny Asa 2, 37-38 ihany koa izany rehefa voatsindrona noho ny TENY na TORITENY izay NANAMBARA NY FAHAFATESANA SY NY FITSANGANAN’I JESOA KRISTY nataon’i Petera ny Olona vao afaka mandray ny Fanahy Masina. Mamerina izany koa ny Asa 10, 44 izay mampiseho fa « raha mbola niteny izany TENY izany Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny TENY ny Fanahy Masina ». Ny Tenin’Andriamanitra henoina irery izany no andraisana ny Fanahy Masina – izany hoe mahafeno ny Fanahy Masina ny Olona. Fahadisoan-kevitra ny mihevitra fa ny « batisa » sns (mbola hojerentsika), izay fomba ety ivelany ihany no handraisana ny Fanahy Masina. Rehefa mihaino mandrakariva ny Feon’ny Tompo ny Olona iray, dia feno ny fanatrehany ihany koa izy. Tsy misy araka izany hoe Olona iray iasan’ny Fanahy Masina, na « nahazo révélation » tamin’ny Fanahy Masina fotsiny tamin’izao, fa tsy maintsy teo – ary tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva no nahatanterahan’izany. An-kilany koa, tsy misy Olona iray namaky Baiboly – boky manambara ny Tenin’Andriamanitra, tonga amin’ny finoana fotsiny amin’izao, fa tsy maintsy teo – ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina mandrakariva no nahatanterahan’izany.
Dia mety hipoitra ny fanontaniana hoe « iza izany no mandeha aloha ka mahatonga ny Olona ho mpino : ny Fanahy Masina miasa mialohan’ny Teny toriana sa ny Tenin’Andriamanitra toriana ka amin’ny alalan’iny no iasan’ny Fanahy Masina ? ». Isika izay ato anatin’ny Fotoana no mampisy fifandimbiasam-potoana tahaka izany, fa ho an’Andriamanitra izay Ivelan’ny Fotoana kosa dia tsy misy resaka mialoha sy tafara izany. Miara-droa tsy azo sarahina ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra.
Samy fahadisoan-kevitra izany, ny mampisaraka ireo anankiroa ireo. An-daniny, fahadisoan-kevitra goavana mahafaty ny fiheverana ny hoe « tsy mila Soratra Masina izany » fa ny « Fanahy Masina efa eo hanome fanambarana ho ahy ». Ity fironana ity izay manomboka mihanaka ankehitriny amin’ny alalan’ireny karazana fitsitokoana etsy sy eroa ireny, dia manao fotsiny ihany ny Soratra Masina izay manambara ny Tenin’Andriamanitra, ho fitaovana voaolana (violé) mba hanamarinana ny hevitr’ireo mpanao izany. Ambarany fotsiny hoe « izao ihany no marina satria nahazo révélation avy tamin’ny Fanahy Masina aho – dia avy eo amin’izay mitsimpontsimpona Soratra Masina hanamarinana izany ». Ireo heretika no mpanao izany araka izay ambaran’ny 2Tim 4,3-4. Efa hitantsika ny voka-dratsin’izany herezia izay mihanaka ankehitriny izany : fitenitenenana fahatany ny momba an’Andriamanitra, fitsitokoana izay miteraka ady maro samihafa, fisolokiana amin’ny alalan’ny fivavahana sns.
An-kilany koa anefa, fironana mahafaty ny finoana, ny fanilihana ny Fanahy Masina sy ny asany amin’ny tsy fahitana ny fandalinana ny Soratra Masina na ny Baiboly afa-tsy amin’ny asan’ny saina be fotsiny amin’izao. Izany indrindra no hitantsika ao amin’ny 2Pet 1,20-21 manao hoe « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana (intérpretation) ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany, fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy ».
Mampiseho indrindra izany, fa ny hany Loharano hanovozana ny finoana dia ao amin’ny Soratra Masina irery ihany – satria ao no misy ny teny mafy orina (2Pet 1, 19) ka tsy maintsy iaingana amin’izay rehetra atao – SAINGY tsinontsinona ihany izany raha tsy angatahina ny Fanahy Masina hiasa mba hahatakarana tokoa ilay Sitrapon’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka velively araka izany ny Tenin’Andriamanitra izay ambara ao amin’ny Soratra Masina, sy ny Fanahy Masina. Isika izany tsy milaza fa tsy mila ny Soratra Masina fa hoe efa eo ny Fanahy Masina, na koa hoe tsy ilaina ny Fanahy Masina fa ny fandalinana ny Soratra Masina ihany – fa ho antsika dia tsy maintsy MANOVO AO AMIN’NY FOTOTRA DIA NY SORATRA MASINA EO AMBANY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA.
Ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra no mahatonga ny Olona iray ho tonga olom-baovao, fanahy, manana toetra vaovao, miaina ny Fahariana Vaovao izay notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Kristy Jesoa. Ireo ihany koa no mampitoetra sy mampiaina azy ao amin’izany Fahariana izany, izay hitantsika ihany koa fa antsoina hoe « làlan’ny Fanamasinana izany ». Ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no manamasina ny Olona – afaka manatona mandrakariva an’Andriamanitra.
– Tsy miankina velively amin’ny fialokalofana anaram-piangonana, na izay fombafombam-piangonana, na hevitr’olon-tokana, sns… araka izany ny fandraisana ny Fanahy Masina, fa ao amin’ny Fihainoana ny Tenin’Andriamanitra izay milaza ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany irery ihany. Ao amin’ny fahafenoan’izany Tenin’Andriamanitra izany ao anatintsika ihany no isian’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ao anatintsika.
Ny Fihainoana marina ny Tenin’Andriamanitra no ananantsika fatokiana fa manana ny Fanahy Masina isika satria ny Finoana dia avy amin’izay henoina ary izay henoina dia avy amin’ny Tenin’i Kristy.
Koa raha misy manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana.
Voninahitra ho an’Andriamanitra

#FAMPIANARANA 064: Ny Fanahy Masina (tapany fahefatra)
Raha nanaraka ny Fampianarana momba ny fanamasinana isika dia ho nahita ny amin’ny anjara toeran’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra manoloana amin’izany. Ny fanamasinana araka izay nahitantsika azy dia ny fanomezan’Andriamanitra antsika ny fahafaha-manatona azy ka manana anjara toerana lehibe eo amin’izany fanomezan’Andriamanitra izany ny Fanahy Masina.
Raha fintinina fohy, ny fanamasinana antsika, izay mahatonga antsika ho afaka hanatona an’Andriamanitra dia noho ny Fanavotana vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Teo amin’izany toerana izany Izy no namono ny Ota tao amin’ny nofony ka nandrava ny efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra Masina. Ny Fanahy Masina kosa hoy isika no mampiaina antsika isanandro izany asam-panavotana efa tanteraka nataon’ny Tompo izany.
Manamafy izay efa voalaza tao amin’ny Fampianarana 063 ny momba ny tsi-fisarahan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina izany voambara rehetra izany. Ny fanontaniantsika àry dia hoe « inona no atao hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina ? »
Raha ireo voalaza rehetra teo aloha momba ny tsi-fisarahan’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra no zohina dia toa manatsidika amintsika sahady izany fa miantraika sy mikasika ny Tenin’Andriamanitra ihany koa izany fanontaniana izany. Mbola hiverenantsika izay any amin’ny faran’izao lohahevitra izao fa andeha hifantoka kokoa amin’ilay teny hoe « miteny ratsy ny Fanahy Masina ».
Kaonteskta anankiroa na dia misy fijery 3 samihafa aza ny anankiray, no ahitana io hoe “miteny ratsy ny Fanahy Masina io”. Ny voalohany dia ny Mar 3, 28-30 sy ny Heb10, 29. Fijery telo samihafa hoy aho ny anankiray izay tsy iza fa ilay Mar 3, 29-30 satria hita ao amin’ny Mat 12, 31-32 sy ny Lio 12, 10 ihany koa izany. Ny filazantsara araka ny Marka moa no voasoratra voalohany tamin’ireo, izany hoe ny tranainy indrindra amin’izy telo, ka niainga avy taminy avokoa izany no nahazoan’ny filazantsara araka ny Matio sy Lioka io resaka io. Toy izao izany loharano voalohany hita ao amin’ny Marka izany: “fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy. Ny filazantsara araka an’i Matio sy Lioka kosa dia nanampy amin’ny hoe “Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany”. Ny tena tokony hifotorana raha te hahafantatra ny hevitry ny hoe “miteny ratsy ny Fanahy Masina” izany dia ilay Mar 3, 28-30 satria io no voasoratra voalohany indrindra fa ireo mpanoratra ny Matio sy ny Lioka kosa dia nanampy fanazavana. Raha ny Marka no jerena, dia tsy misy firesahana manokana momba ny zanak’Olona eo fa ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina fotsiny no ambarany izay hazavainy sahady hoe “- izany no nolazainy satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.” Raha io kaonteksta io no jerena, ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina dia midika indrindra ho ny fiampangana an’I Jesoa izay nandroaka ny demonia sy nidinan’ny Fanahy Masina (Mar1, 12), ho manana fanahy maloto. Tamin’ny fandàvana ny fahefan’i Jesoa izany, ireto mpanora-dàlana ireto dia niteny ratsy ny Fanahy Masina izay niasa tao amin’ny fanompoana nataon’i Kristy tamin’ny fotoan’andro . Raha tsorina kokoa, ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina eto dia ny fiziriziriana hitoetra ao anatin’ny fahajambana ka minia tsy mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga mandrava ny fanjakan’i Satana tamin’ny alalan’i Jesoa avy any Nazareta ilay nitoeran’ny Fanahy Masina. Eto amin’izao filazantsara araka ny Marka izao noho izany, ny famoahan-kevitra azo atao momba ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina dia mihodidina ny maha-izy an’i Kristy fa tsy mikasika olon-kafa toy ny Mpianatra sns. Raha bataina amin’ny ankehitriny izany, ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina àry dia tsy inona fa ny fandàvana ny fahefan’i Kristy nandrava ny fanjakan’i Satana ka manao izany asa notanterahin’i Kristy izany ho avy amin’ny demonia. Tsy azo lavina velively anefa fa ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no manamarika feno izany faharavan’ny fanjakan’i Satana izany. Noho izany, na iza na iza miziriziry hitoetra ao anatin’ny fahajambana ka minia tsy mahita (na koa manaiky) ny asa fandrodanana ny fanjakan’i Satana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia miteny ratsy ny Fanahy Masina ka tsy hahazo famelan-keloka fa hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.
Raha handalo kely ny amin’ilay fanampin-teny araka an’ Matio sy Lioka izay miresaka ny Zanak’Olona anefa isika dia tsara ny manamarika ireo voambolana izay ampiasaina eo amin’izany araka ny teny grika nanoratana azy. Raha miteny izy ireo hoe “– na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona”, ny hoe – manao teny na milaza teny – eto (grika: eipen logon) dia manambara “teny tsy voafaritra” (indéfinie) satria tsisy mpamaritra, na raha tsorina kokoa “teny tsy voahevitra” “teny tsy misy foto-kevitra” na koa “teny tsy misy fahalalana”. Izany karazan-teny tsy voahevitra sy ao anatin’ny tsi-fahalalana izany, dia mbola hahazoan’ny Olona famelan-keloka ihany (raha toa mibebaka izy). Ny fehezan-kevitra manaraka kosa anefa dia mahitsy sady tsy miolaka hoe “miteny manohitra ny Fanahy Masina” – izany hoe tsy teny tsy voahevitra akory fa tena voafidy manokana hanoherana ny Fanahy Masina mihitsy. Izany dia mamerina amin’ilay fanazavana teo aloha araka ny Mar 3, 29-30. Eto izany dia tsy mampiseho fahambanian’ny Zanak’Olona na fahambonian’ny Fanahy Masina (izay samy fiavahana ao amin’Izy Andriamanitra tokana) akory ny Soratra Masina, fa manisy fampiavahana kokoa eo amin’ireo karazan-teny ambara.
Io hevitra voalohany nohazavaina araka ny Mar 3, 29-30 ny amin’ny hoe “miteny ratsy ny Fanahy Masina” io izany dia mahasahana kokoa ireo Olona izay mbola “eny ivelany mihitsy” (Mar 4, 11-12). Ny fiziriziriana handà ny Asam-panavotana nataon’I Kristy izay nandrodanany ny fanjakan’ilay Ratsy no fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ka mahameloka amin’ny Ota mandrakizay.
Fa ny kaonteskta faharoa izay miresaka ny hoe « miteny ratsy ny Fanahy Masina » dia izay hita ao amin’ny Heb10, 29 manao hoe « manao ahoana kosa ary no hamafin’ny fampijaliana heverinareo tokony hihatra amin’izay nanitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana? ». Ny voambolana hoe Fanahin’ny fahasoavana dia manondro ny Fanahy Masina satria voafaritra tsara ny teny grika ampiasaina eo (misy mpamaritra). Ny matoanteny hoe maniratsira dia tsy misy hafa amin’ny hoe “miteny ratsy”. Eto dia mazava kokoa ny fanambaran’ny Soratra Masina amin’ny fandàvana ny Asam-panavotana notanterahin’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Saingy ity kaonteksta ity dia mahasahana kokoa ireo izay efa nahalala sy nanaiky fa maty teo amin’ny hazofijaliana i Kristy ho famelana ny helotsika saingy nandà izany avy eo. Efa hitantsika tao amin’ny Fampianarana 058 anefa fa mety tsy ho mivantana be ny fiandohan’io fandàvana ny asam-panavotana nataon’i Kristy io fa miseho amin’ny endriky ny tsy fatokiana ny Famelan-keloka nataony aloha. Izany hoe nisy fotoana ianao lavo, potraka (nanota – nanao tsi-fahamarinana araka ny 1Jao 5, 17) dia tonga I Satana manao izany ho fitaovana hiampangana anao mandrakariva. Amin’ny fotoana izay ivangongoan’izany fiampangana vokatry ny fiverimberenan’ny fahadisoana izany dia teraka ao anatin’ny Olona ny fanamelohan-tena izay lasa manakona ny famelan-keloka vitan’i Kristy ka mitarika azy tsikelikely ho amin’ny fandàvana tanteraka ny fahafatesany tamin’ny hazofijaliana. Izany fandàvana tanteraka izany no atao hoe faniratsirana na fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina, Fanahin’ny fahasoavana.
Koa araka izany, ny hoe “miteny ratsy ny Fanahy Masina” dia tsy inona akory fa ny tsi-fibebahana intsony izay fiziriziriana handà ny Asam-panavotana nataon’i Kristy izay manome ny famelan-keloka. Koa rehefa tsy mibebaka ianao – mitodika na ny marimarina kokoa, mandray ny Asam-pamonjena vitan’i Kristy manome famelan-keloka – dia mazava ho azy fa tsy hisy famelan-keloka na oviana na oviana. Ny Asan’ny Fanahy Masina rahateo araka ny Jao 16, 8 dia hoe “hampiaiky izao tontolo izao amin’ny fahotana”. Mazava ho azy araka izany fa fanoherana, na fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ny tsy fetezana hiaiky ny fahotana. Ny Teny voalohany ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hazofijaliana ho antsika manko dia hoe “mpanota ianao” (1Jao 1, 10). Saingy ny Teny faharoa tsy misaraka amin’izany izay ambaran’ny hazofijaliana dia hoe “Fitiavana anefa Aho ka efa navelako ny fahotanao, raiso izany famelan-keloka izany”.
Finoana anefa no hany hahafahana mandray izany Fanomezana maimaim-poana omen’Andriamanitra izany. Finoana no andraisana fa “Andriamanitra mampiseho ny Fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy”. Izany Finoana na Fatokiana izany anefa dia tsy herin’ny Olona fotsiny amin’izao ka hoe izy no mahay mino sy mahavita mino. Ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no hahafahany manana finoana – fatokiana, dia araka izay voambara mandrakariva hoe “ny Finoana avy amin’izay henoina ary izay henoina dia avy amin’ny Tenin’I Kristy” (Rom 10, 17). Mbola ao amin’ny Fihainoana ny Tenin’Andriamanitra hatrany izany no hany hahafahana manana Finoana, manana Fatokiana. Koa ny fahafahana handray ny Asam-panavotana ataon’i Kristy sy tsy handàvana izany dia ny Fihainoana ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva – tsy mitsahatra. Efa nambara tamintsika fa ny fahalavoana amin’ny fakam-panahy sy ny fisedrana maro isan-karazany izay miverimberina ka hanararaotan’i Satana antsika dia noho tsy fahafenoan’ny Teny ao anaty ka mahatonga ny olona ho resy. Ny fahakelezan’ny Finoana dia vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ny tsi-fihainoana mihitsy ny Tenin’Andriamanitra àry dia mitondra ho amin’izay voambara hoe fandàvana ny Asam-pamonjena nataon’i Kristy. Ary izany fandàvana tanteraka izany no fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina hoy isika. Koa raha iverenana àry izay nolazaina tàry aloha momba ny fiantraikan’ity resaka fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ity amin’ny Tenin’Andriamanitra dia izao:
– ny Olona miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny Olona izay tsy mety hihaino intsony ny Tenin’Andriamanitra. Izany Tenin’Andriamanitra izany araka ny fantatsika dia miseho amin’ny endrika telo tsy afa-misaraka: Soratra Masina – Jesoa – Toriteny.
Rehefa tsy mety mihaino ny Tenin’Andriamanitra intsony àry ny Olona, dia tsy misy Finoana na Fatokiana ho azy, izay tànana andraisana ny Fahasoavan’Andriamanitra tao amin’i Kristy Jesoa. Satria ny fahafenoan’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Olona no hisian’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy ny Asany ao Aminy ary izany no mitarika azy mandrakariva hanatona an’Andriamanitra.
Mihainoa (…) Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino (Mar 4, 3.9).
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.

#FAMPIANARANA 065: Ny Fanahy Masina – Fiangonana (tapany farany)
Izay rehetra milaza azy ho Fiangonana ve dia Fiangonana ?
Rehefa avy nandia ireo Fampianarana maromaro momba ny Fanahy Masina isika dia anio no hamarana izany lohahevitra izany. Tsy midika akory hoe feno izay voalaza fa izay vita kosa dia heverina ho mahakasika ny tsara sy tokony ho fantatra ankapobeny momba Azy. Araka izay voambara raha vao nanomboka izao pnematôlôjia izao dia izay hay lazaina sy navelany ho fantatra momba Azy ihany araka ny fanambarany ny Tenany ao amin’ny Soratra Masina no nambara ka tsy hamoromporona teny fahatany momba Azy isika. Ny azo antoka dia miasa Izy ary mbola miasa amin’ny Fiangonana mandraka ankehitriny. Ary izany indrindra no entintsika hamaranana izao lohahevitra izao dia ny amin’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana.
Raha averina omena ny famaritana faran’izay tsotra momba ny atao hoe Fiangonana, izany dia « ny fiombonan’ireo Olona voaantson’Andriamanitra ». Ny teny grika ekklesia dia maneho kokoa ny amin’izany hoe antson’Andriamanitra miantefa amin’ny Olona izany ka mahatonga ireto farany hihetsika hiala amin’ny toerana izay nisy azy teo aloha ho tonga amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Saingy tsy mijanona hoe Olona nantsoin’Andriamanitra fotsiny akory ny Fiangonana ka mitsitokatokana any amin’izay misy azy avy any fotsiny fa maneho izany ho hita maso amin’ny fiombonana toy ny fi-angonana – na fiaraha-mitoetra. Ary izany indrindra no asehon’ny Asa 2, 1 raha vao manomboka ny filazana fa tonga ny Fanahy Masina : « ary izy rehetra dia niara-nitoetra tamin’ny fitoerana iray ». Io andro Pentekosta io izay nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’ny nofo rehetra, no ekena indrindra ho fahaterahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Miseho miharihary amin’izany fa tao anatin’ny Fiombonana no neken’ny Tompo hanatanterahana ny teny fampanantenany. Ny Fanahy Masina araka izany voalohany indrindra, dia ao anatin’ny Fiombonana fa tsy sanatria an’olon-tokana milaza azy ho « hany » manana ny Fanahy Masina akory. Izay mihevitra ho « tompon’ny Fanahy Masina » na « hany manana ny Fanahy Masina », na olon-tokana io na antokom-piangonana, dia heretika, ilàna fitandremana satria mitahiry ny fanahin’ny fampisarahana (grika : diabolos – midika hoe mpampisaraka). Ireo Olona mpitsitoko izay feno fizahozahoana hatrany matetika no mpihevi-tena tahaka izany amin’ny fampanarahiny ny teniny amina loko evanjelika kely hoe : jesosy na ny fanahy masina izay ananako no izy sns.
Koa raha miresaka Fiangonana dia fototra iorenana izany maha-izy azy izany ny Fiombonana – izay manana lafiny mijidina (communion verticale) sy lafiny marin-drano (communion horizontale).
Ny ataoko hoe lafiny mijidina dia tsy inona fa ny Fiombonana amin’i Kristy izay mazava ho azy fa Izy no Loha, ny Teniny araka ny Soratra Masina no arahina satria Izy no Saina mitarika ary ny Fofonainy (Fanahy Masina) no mampihetsika. Ny fanoloran-tenan’i Jesoa Kristy no mampiorina io lafiny mijidina io (Efe5, 25-32). Ny hoe lafiny marin-drano kosa dia tsy inona fa ny Fiombonan’ny Olona masina – izany hoe ireo rahalahy sy anabavy Kristiana rehetra nomen’ny Tompo ny fahafaha-manatona Azy. Izany lafiny marin-drano izany no fanehoana ho hita maso ilay Tenin’i Kristy momba ny « fitiavana sy fifankatiavana » izay tsy inona fa vokatry ny Fanahy miasa ao amin’ny Fiangonana.
Manana toetra roa miavaka tsara mandrafitra azy anefa io maha-izy azy ny Fiangonana io araka ny fanambaran’ny Soratra Masina. Izany dia ny maha-velona azy (organisme vivant) sy ny maha-mirindra azy (organisation). Na toy inona no mety ho fisehoan’ireo toetra roa ireo dia tsy azo ambara velively ho Fiangonana ny Fiangonana raha tsy velona sy mirindra izy. Tsy misy mihitsy izany andian’olona afaka hiteny hoe Fiangonana izy raha toa ka tsy hita eo aminy izany fahavelomana sy firindrana izany.
Ny fahavelomana amin’ny maha-velona azy (organisme vivant) izay ambara dia ny maha-vatan’i Kristy ny Fiangonana. Ny Mino tsirairay izany no mandrafitra ny rantsam-batan’i Kristy azy dia araka izay anambaran’ny apôstôly azy manao hoe « vatana iray isika ao amin’i Kristy ary isika rehetra dia samy rantsam-batany avy » Rom 12, 5. Izany maha-rantsam-batana mihetsika sy miasa ny tsirairay izany dia isehoan’ireo karazana fanomezam-pahasoavana maro eo amin’ny Fiangonana. Ny teny grika hoe karisma, iray fototeny amin’ny hoe Karis (fahasoavana) no nadika hoe fanomezam-pahasoavana. Ny karisma dia IZAY REHETRA ananantsika (vola, fahaizana, fahalalana, asa, hery, sns) sy ekentsika ho fanomezana avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’ny herintsika sy fiezahantsika, ka hanompoantsika azy. Tsy misy fetra io araka izany.
Ny 1Kor 12 manontolo no mampiseho amin’ny ampahany izany fahasamihafan’ny fanomezam-pahasoavana izany. Ary izany fisian’ny fahasamihafana marobe izany indrindra no hahafahana manazava ihany koa ny amin’ireo anaram-piangonana Kristiana maro samihafa misy. Raha Kristy no iorenan’izy ireo dia tanteraka ny teny araka ny 1Kor 12, 3 manao hoe « tsy misy olona afaka hiteny hoe Jesoa no Tompo raha tsy avy amin’ny Fanahy Masina ». Izay miteny izany dia mazava ho azy fa tokony hanaraka ho azy avy hatrany ny maha-foto-pampianarana iorenana sy toriana ny amin’ny Fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty fa tsy zavatra hafa velively. Raha tsy izay dia ilaina fitandremana mandrakariva. Ao amin’izay manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy anefa dia ambaran’ny and-4-6 fa « zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Fanahy dia iray ihany ; zarazaraina ho samihafa ny fanompoana fa ny Tompo dia iray ihany ; zarazaraina ho samihafa ny asa fa Andriamanitra dia iray ihany izay miasa amin’izy rehetra ».
Ireo olona mitsitokotoko dia mandà ny fisian’izany fizarazarana ny Fanomezam-pahasoavana izany ho samihafa ka mihevi-tena ho hany an’ny Tompo ka tsy mahay manaja ny hafa. Ekena tokoa fa mety hisy aretina amin’ireo karazam-piangonana samihafa, saingy ny Tompo ihany no tompon’ny teny farany amin’izany dia araka izay ambarany hoe « izay tsy miray amiko dia ariana eny ivelany izy tahaka ny sampany izy ka malazo » Jao 15, 6. Isika kosa dia tsy nomena fahefana hanongotra ny tsimparifarifary na dia miara-maniry amin’ny vary aza izany (Mat 13, 29-30), saingy nomena kosa ny fahaiza-manavaka mba hampandre sy hampitandrina ny hafa handeha amin’ny làla-marina mandrakariva.
Noho ny fisian’ireo fanomezam-pahasoavana samihafa àry, dia marina fa samy matoky an’Andriamanitra, samy mamaky baiboly, samy mahay mandalina, avokoa ny Olona rehetra saingy misy kosa natokan’Andriamanitra hanana Fanomezam-pahasoavana mihoatra noho ny hafa amin’ny Fampianarana, Fitoriana, Fanasitranana sns. Izany no antom-pisian’ny Evanjelisitra, Mpitandrina, Mpampianatry ny Fiangonana araka ny ambaran’ny 1Kor 12, 28. Mety misy rantsana tsy mandeha tsara ao, dia mifamonjy, mifameno, mifanampy, ka izany no fisehoan’ilay fiombonana amin’ny lafiny marin-drano. Ny fitambaran’ireo karazana Fanomezam-pahasoavana omen’ny Fanahy Masina ireo araka izany no mandrafitra ny Fiangonana fa tsy olona iray – na mpitarika iray fotsiny. Izany no fifandraisana eo amin’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana.
Ny toetra faharoa maha-izy ny Fiangonana dia ny maha-mirindra azy (organisée). Ity matetika dia ireo mpitsitoko mandrakariva no mandà azy ity kanefa dia ny fanambaran’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana dia maneho mandrakariva ny Fiangonana ho toy ny Rafitra mirindra. Raha ampitahaina amin’ny Vatana ny Fiangonana dia mazava ho azy fa ny Vatana dia rafitra mirindra fa tsy sanatria tsy misy ambaratongany raha tsy hoe « sampona » ilay Vatana. Ny Fiangonana koa dia tahaka izany : misy rafitra mirindra mipetraka, misy lamina, misy fandaminana. Na ny 1Kor 14 na ireo epistily pastôraly (Timoty sy Titosy) dia maneho avokoa izany firindrana tokony hisy eo amin’ny Fiangonana izany fa tsy handeha samy mitady fotsiny amin’izao. Ambaran’ny 1Kor 14, 33 raha miresaka momba ny firindran’ny fanompoam-pivavahana tao Korinto i Paoly fa « Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana fa ny fiadanana ». Raha toa ka tsy misy izany firindrana sy lamina izany dia tsy hisy vokany velively eo amin’izay eo ivelany ny Hetsika sy Fijoroana Vavolombelona tanterahin’ny Fiangonana. Ny fahendren’ny Soratra Masina rahateo dia mampianatra fa « ny fahaiza-mandamina no entonao miady » Oha 20, 18
Marihina tsara fa eo amin’ny lafiny pratika fampandehanan-draharaha no itoeran’izany lamina sy fandaminana izany fa tsy lafiny Foto-pinoana akory (1Kor 15, 1-4). Ny fototra iorenan’ny fiainam-piangonana dia i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty. Tsy misy lamina atao ny amin’izany fa fototra efa mipetraka sy tsy azo kitihina. Ny lamina sy fandaminana eo amin’ny Fiombonana amin’ny lafiny marin-drano no ambara eto. Izany indrindra no isian’ireo karazam-pandaminana eo anivon’ny Fiangonana fa tsy sanatria haitraitra akory fa tena Fitarihan’ny Fanahy Masina. Matetika dia noho ny tsy fahazakana izany lamina sy fandaminana ho fampandrosoana ny fanompoan’ny Fiangonana manontolo izany no mahatonga ireo Olona sasany maro hisintaka dia avy eo manangana anaram-piangonana metimety aminy sy baranahiny kokoa. Ireny ihany avy eo no manaratsy ny Fiangonana etsy sy eroa satria tsy zatra niaina tao anatin’ny Fiombonana fa tia mitsitokatokana sy te ho lohany. Tenenina mazava tsara anefa fa « tsy ny rafitra velively no mahavonjy – fa ny olom-boavonjy kosa no mahay miaina anaty rafitra ».
Ny Fiangonana ve ? Velona izy satria Vatan’i Kristy velona ary ny Fofonainy (Fanahy Masina) no mamelona azy. Mirindra ihany koa izy satria Vatana salama sy tsy sampona ary ny Fanahy Masina no manetsika azy. Amin’ny maha-fiombonan’ny Olona azy, dia mananany fahalemeny izy, saingy izany fahalemeny izany mihitsy no iasan’ny Herin’i Kristy satria « ny heriny dia tanterahina amin’ny fahalemena » 2Kor 12, 9. Izany no maha-izy ny Fiangonana ary izany no maha-Fiangonana ny Fiangonana izay velona ao anatin’ny Fiombonana (mijidina sy marin-drano).
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.