A propos

Tsy voalazako va fa raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra? Jean 11:40

NY NIANDOHAN'NY FIANGONANA MNVJ


Ny ray aman-dreny nipoiran’ny fiangonana MNVJ dia Pasteur ANDRIASOLOSON Thierry Haster. Nahorina ny 13 septambra 2013 ny FIANGONANA MNVJ.

Ny MNVJ dia mitsangana ho fikambanam-pivavahana mifanaraka amin'ny didy aman-dalana Frantsay nivoaka ny 9 Desambra 1905 momba ny fisarahan'ny fiangonana sy ny fanjakana, sy ny FITSIPIKA fampiharana izany izay nivoaka ny 15 septambra 2013 ary voasoratra ara-dalana ao amin'ny boky ao amin'ny préfecture de Bobigny;

Ny MNVJ dia fiangonana “PROTESTANTE EVANGELIQUE REFORMEE " :  fiangonana evanjelika fa ahitana Mpiandry sy diakona ary misy asa fampaherezana.
Mitory amin'ny olona rehetra tsy ankanavaka an'I Jesosy Kristy no tanjona. Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Mitondra ny mino Azy amin'ny tena famonjena. 

NY FITANTANANA NY FIANGONANA MNVJ


Ny fomba hanatontosana NY FITORIANA FILAZAN-TSARA dia amin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana, ny fampianarana ny Tenin'Andriamanitra, ny sampana maro samihafa eo amin'ny fiangonana , ny fananganana vondrom-bavaka sy fitorina ny filazantsara amin'ny toerana rehetra.

Ny fitantanana ny MNVJ dia mirafitra toy izao : ny birao foibe no mamolavola sy manome ny hevitra. Ny komity maharitra no mandray ny fanapa-kevitra. Ny komity maharitra dia ny birao foibe miampy ny biraom-piangonana isam-paritra,ny mpiandraikitry ny vondrom-bavaka sy ny vomiera.



PasteurThierry ANDRIASOLOSON
Pasteur Principal
MEMBRE DU BUREAU

BIRAO FOIBE

« Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe : Iza no hirahiko , ary iza no
handeha ho irakay ? Dia hoy izaho : Inty aho , iraho aho. » ( Isaia 6.8 )

Mampionona RAKOTONDRANARY
Secretaire GENERAL
pasteur Joshy RAVALOHERINJATOVO
tresoriere
pasteur Jimmy RABEMALANTO
conseiller
pasteur Faniry RATSIVALAKA
ComMissaire au compte