Nanao ny alahadin’ny sampana voalohany ny MNVJ

25
Mai

Dimy taona no nitsanganan’ny Ministera fa ny taona 2019 vao notanterahina ny alahadin’ny sampana voalohany. Ireo sampana tanora no nisantatra izany tamin’ny 17 Marsa 2019 (Groupes des jeunes MNVJ Paris et MNVJ Toulouse). Ny alahadin’ny sampana lehilahy no nanaraka izany ny 14 aprily 2019. Niavaka tokoa ny fanafanana ny fotoam-pivavahana manontolo. Tao aoriana ny sakafom-panahy dia nisy ny sakafom-pirahalahiana nifampizarana. Antenaina fa tsy ho ambakan’izany koa ny alahadin’ny sampana vehivavy izay ho tanterahina ny alahady 26 mey 2019 ho avy izao.